Namakia : Fizarana fitaovana ho an’ny tantsaha mpamboly fary

Namakia, izay ahitana ny fambolena fary lehibe indrindra ao amin’ny faritra Boeny, dia nahazo famatsiana fitaovana avy amin’ny tetikasa PARC izay tohan’ny vondrona eoropeana vola. Ny CMCS na Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy no niandraikitra izany fizarana izany izay heverina hitondra aina vao indray ho an’ny tantsaha mpamboly sy ny ny orinasa mpamokatra siramamy.

Tamin’ny volana novambra teo no notanterahina ity fizarana fitaovana ity. Ary tanatin’ny haravoana tanteraka no nandraisan’ireo mpisitraka izany tohana izany. Ny tanjon’ny CMCS moa dia hanatsara ny famokarana sy ny hampaharitra ny seha-pihariana any an-toerana.

Ny tetikasa PARC – Projet d’Appui au Renforcement des Capacités du CMCS -, izay tetikasa tohan’ny vondrona eoropeana vola, dia nanokana teti-bola mihitsy hahafahana mahazo ireo fitaovana ilaina ireo araka ny filàn’ny tantsaha. Ireo fitaovana ireo dia ahitana « motopompes, pulvérisateurs, karazana fitaovana entina eny antsaha (angady, angadin’omby sns), fitaovana fiarovana (aro-tanana, kiraro, sns).

Nandritra ny lanonana, Atoa Filohan’ny Federasionan’ny Mpamboly Fary ao Namakia, dia nisaotra manokana ny vondrona eoropeana noho ny fanohanany hatrany ny seha-pihariana siramamy eto Madagasikara. Notsipihany manokana tamin’izany ny maha zava-dehibe ny fanomezana an’ireo fitaovana ireo amin’ny fanatsarana ny asa eny antsaha ho an’ny tantsaha tsirairay avy. Rehefa mihatsara ny fomba fiasa sy ny fitaovana enti-miasa, dia hahita vokatra ny mpiantsehatra tsirairay avy. Ny vokatra azo indray dia mitarika fahazotoana ary ity farany no hahatonga ny seha-pihariana haharitra.

Toy izany koa no nataon’ireo tantsaha tonga nanatrika ny fizarana. Hita soritra ny hafaliana ary nisaotra ny vondrona eoropeana avokoa izy rehetra. Ho an’ny ankamaroan’izy ireo, dia hitondra vokatsoa amin’ny fanatanterahana ny asany ireto fitaovana ireto. Ary azo antoka fa hiakatra ny taham-pamokarana ary ho voakajy kokoa ny tontolo iainana.

« Sambany izahay no nahazo fitaovana tsara sy maro toy izao » hoy ny vehivavy tantsaha iray. « Hanamora ny asanay ireto fitaovana ireto ary hampiova kokoa ny fiainanay » raha nanohy ny teniny izy. « Misaotra ny CMCS sy ny Vondrona eoropeana izahay amin’izao fanomezana fitaovana izao » hoy hatrany izy.

Ny tetikasa PARC dia tsy mijanona fotsiny amin’ny fizarana fitaovana. Misy ihany koa ny fanomezana fiofanana ny tantsaha amin’ny fampiasana ny fitaovana sy ny fomba fambolena fary manaraka ny teknika moderina. Izany no natao dia hahafahana miantoka fa hisy vokany maharitra amin’ny tantsaha ireo fitaovana nozaraina ireo. Ary hanana ny fahaleovan-tenany tanteraka izy ireo amin’ny asa fambolena fary any amin’iny faritra iny.

Fehiny, ny fizarana fitaovam-pamokarana izay nataon’ny CMCS vokatry ny tohana ara-bola nataon’ny Vondrona eoropeana amin’ny alalan’ny tetikasa PARC, dia mampandroso sy mampivoatra marina ny seha-pihariana siramamy eto Madagasikara. Izany rehetra izany, dia mitarika mankany amin’ny fampiasana ireo teknolojia vaovao isan-karazany. Rehefa ampiharina izany rehetra izany, dia mivoatra araka ny tokony ho izy ny fihariana siramamy eto amintsika. Ary izany fihatsarana izany dia mitondra ainga vao sy fandrosoana ho an’ny isam-batan’olona, izany hoe fihatsaran’ny fari-piainan’ny tantsaha izany.

 

 

 

 

Lire les autres articles