Taom-piotazana fary 2022-23

Raha ny taom-pijinjana fary 2022-23 teto Madagasikara no jerena dia azo ambara fa tena fahozimbiazana tanteraka izany. Tsy nahitana olana na zavatra nanembatsembana ny asa fijinjana fa dia nizotra ampilaminana tanteraka. Izany dia vokatry ny fandaminana paty paika izay nataon’ny izay notarihin’ny Foibe Malagasy momba ny Fary sy ny Siramamy. Ny mpiantsehatra rehetra dia afaka milaza fa nahavita dingana iray lehibe satria dia mirindra nihoatra ny tokony ho izy ny taom-pijinjana fary.

Taom-pijinjana tsy nahitana olana
Toy ny tamin’ny taom-pijinjana teo aloha ihany, dia nizotra tsara tsy nisy tomika izany asa lehibe izany. Na ny toetrandro aza dia nanome tombony ho an’ny tantsaha satria dia tsy nahitana todra-drano na zavatra hafa izany. Ny fiavian’ny orana dia tamin’ny antonony tsara ka tsy nanimba ireo foto-drafitrasa toy ny lalana fampidirana fary izany. Ny mpiantsehatra tsirairay koa dia nanaraka tsara ireo toro-mariky ny CMCS nandritra ny taom-pijinjana.

Fiakaran’ny tahan’ny vokatra
Isany teboka iray lehibe hita tamin’ity taom-piotazana 2022-23 ity ihany koa ny fiakaran’ny tahan’ny vokatry ny tantsaha. Niakatra ny taham-pamokaran’ny tantsaha amin’ny ankapobeny. Izany dia noho ny fahafenon’ny fepetra rehetra ilaina amin’ny famokarana, toy ny fanarahana ny toro-marika amin’ny fambolena fary, izay asa tena indraiketan’ny CMCS. Teknisianina marobe no nifarimbona tamin’ireo tantsaha ho fanatsarana ny vokatra. Rehefa miakatra moa ny taham-pamokarana, dia miakatra koa izany ny vola azon’ireo tantsaha ireo. Ary rehefa miakatra ny vola azon’izy ireo, dia misy fiatraikany izay eo amin’ny toe-karena iray manontolo mihitsy, na izany any amin’ilay faritra misy ny fambolena, na izany amin’ny sehatra nasionaly mihitsy.
Fandrindrana maty paika
Izany fahombizana rehetra izany dia vokatry ny fandrindrana maty paika ny asa rehetra izay andraikitry ny Foibe. Niara-nientana avokoa ny rehetra tao anatin’izany rehetra izany, na ireo mpamboly, na ny mpitatitra ny vokatra na ny orinasa. Nahitana vokany tokoa izany. Voaray daholo ny farin’ny tantsaha ary tsara ny kalitaon’ny fary. Maro koa ireo lalana fitaterana toy ny radiers izany izay nojeren’ny CMCS manokana mihitsy ny fikarakarana azy ireny. Izany dia mba hahafahana mitatitra ny farin’ny tantsaha. Ny orinasa koa tetsy ankilany dia nanao izay azony natao mba hanenana na hisorohana ny fijanonan’ny orinasa.

Tanjona ho an’ny taona manaraka
Ny fahombiazan’ny taom-pijinjana fary 2022-23 sy ny teo aloha dia azo atao fototra hiaingana amin’ny fanomanana ny taom-piotazana manaraka indray. Miezaka foana ny Foibe maka lesona sy manatsara ny fomba fiasa mba ho tombotsoan’ny rehetra. Afaka atao modely tsara izany ity taom-pijinjana farany ity, miampy ireo lesona rehetra azo hatramin’izay. Azo inoana arak’izany fa hizotra tsara kokoa no ny tamin’ity taona ity ny fijinjana manaraka eo.

Arak’izany, dia azo jerena na tarafina tamin’ity taona fiotazana fary ity ny tanjaky ny seha-pihariana siramamy. Tena efa miarin-doha sy mitraka tanteraka ity sehetra ity raha oharina tamin’ny tany aloha tany. Ny tondro rehetra dia miabo avokoa toy ny firindran’ny fiotazana, ny fiakatry ny taham-pamokarana. Efa manomboka hita koa ny fiatraikan’ny fihariana siramamy eo amin’ny lafiny ara-toekarena ho an’ny firenena iray manontolo mihitsy.

 

 

 

 

Lire les autres articles